-
Psalms 91
- 1 Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha.
- 2 Izaho hilaza an’ i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
- 3 Fa Izy no hanafaka anao amin’ ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
- 4 Ny volon’ elany no anaronany anao, Ary ao ambanin’ ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
- 5 Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
- 6 Na ny areti-mandringana mandeha amin’ ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana.
- 7 Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
- 8 Hijery maso fotsiny ianao, Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
- 9 Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
- 10 Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
- 11 Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’ izay rehetra halehanao.
- 12 Eny an-tànany no hitondran’ ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.
- 13 Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
- 14 Satria Izaho no niraiketan’ ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
- 15 Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.
- 16 Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
-
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.