-
Psalms 96
- 1 Mihira fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Mihirà ho an’ i Jehovah ry tany rehetra.
- 2 Mihirà ho an’ i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly.
- 3 Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
- 4 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin’ ny Andriamanitra rehetra.
- 5 Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.
- 6 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin’ ny fitoerany masìna.
- 7 Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
- 8 Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
- 9 Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.
- 10 Lazao any amin’ ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin’ ny fahamarinana Izy.
- 11 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.
- 12 Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin’ izay ny hazo rehetra any an’ ala
- 13 Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin’ ny fahamarinany.
-
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.