-
Psalms 51
-
1
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida, - 2 fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an’ i Batseba izy.
- 3 Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
- 4 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
- 5 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
- 6 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
- 7 Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
- 8 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ ny miafina no ampahafantarinao ahy.
- 9 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.
- 10 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao.
- 11 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
- 12 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
- 13 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masìna amiko.
- 14 Ampodio amiko ny fifaliana amin’ ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
- 15 Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.
- 16 Vonjeo ho afaka amin’ ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako.
- 17 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
- 18 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
- 19 Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
- 20 Manaova soa amin’ i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’ i Jerosalema.
- 21 Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin’ ny afo; dia hanatitra vantotr’ ombilahy eo amin’ ny alitaranao ny olona.
-
1
-
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.