-
Job 34
- 1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
- 2 Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
- 3 Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina.
- 4 Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
- 5 Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin’ Andriamanitra tamiko ny rariny;
- 6 Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
- 7 Aiza moa no misy lehilahy tahaka an’ i Joba, izay manaram-po amin’ ny famingavingana toy ny fisotro rano.
- 8 Ary tonga naman’ ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin’ ny ratsy fanahy?
- 9 Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin’ Andriamanitra.
- 10 Koa amin’ izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an’ Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
- 11 Fa ny nataon’ ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
- 12 Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
- 13 Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
- 14 Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
- 15 Dia hiala avokoa ny ain’ ny nofo rehetra, ary hiverina amin’ ny vovoka ny olona.
- 16 Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
- 17 Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
- 18 (Mety va ny miteny amin’ ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin’ ny zanak’ andriana: Ry ilay ratsy!),
- 19 Dia Ilay tsy mizaha ny tavan’ ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan’ ny tànany avokoa izy rehetra.
- 20 Maty amin’ ny indray mipi-maso monja amin’ ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
- 21 Fa ny mason’ Andriamanitra dia mijery ny alehan’ ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
- 22 Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ ny mpanao ratsy.
- 23 Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
- 24 Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
- 25 Koa hita amin’ izany fa fantany ny asan’ ireo, ka dia mamono azy amin’ ny alina ho torotoro Izy.
- 26 Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ ny ratsy fanahy ireo eo imason’ ny vahoaka.
- 27 Izao no nialan’ ireo tamin’ Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
- 28 Dia ny mba hahatonga ny fitarainan’ ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan’ ny ory.
- 29 Mangìna Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ ny firenena, na amin’ ny olona tsirairay,
- 30 Mba tsy hanjakan’ ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
- 31 Fa moa mba efa nisy niteny tamin’ Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;
- 32 Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
- 33 Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon’ ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.
- 34 Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
- 35 Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
- 36 Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon’ ny ratsy fanahy!
- 37 Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin’ Andriamanitra.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.