-
Job 7
- 1 Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’ olombelona etỳ ambonin’ ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ ny mpikarama va ny androny?
- 2 Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ ny asany,
- 3 Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
- 4 Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan’ ny andro.
- 5 Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
- 6 Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
- 7 Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
- 8 Tsy hahita ahy intsony ny mason’ izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
- 9 Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midìna any amin’ ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;
- 10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
- 11 Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian’ ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ ny aiko.
- 12 Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?
- 13 Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
- 14 Dia mampitahotra ahy amin’ ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin’ ny tsindrimandry;
- 15 Ka dia aleon’ ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;
- 16 Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
- 17 Inona moa ny zanak’ olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
- 18 Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
- 19 Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
- 20 Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
- 21 Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.