-
2 Chronicles 5
- 1 Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’ i Solomona ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary nampidirin’ i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’ i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra.
- 2 Ary tamin’ izany dia novorin’ i Solomona ny loholon’ ny Isiraely sy ny lehiben’ ny firenena rehetra, dia ny lohan’ ny fianakavian’ ny Zanak’ isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy any Ziona, Tanànan’ i Davida.
- 3 Dia nivory ho any amin’ ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro firavoravoana tamin’ ny volana fahafito.
- 4 Ary tonga koa ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,
- 5 dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masìna rehetra izay tao amin’ ny lay. Nampakarin’ ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.
- 6 Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman’ osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
- 7 Ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nampidirin’ ny mpisorona ho ao amin’ ny fitoerany tao anatin’ ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, teo ambanin’ ny elatry ny kerobima;
- 8 fa nivelatra tambonin’ ny fitoeran’ ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
- 9 Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin’ ny fiara eo anoloan’ ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.
- 10 Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin’ ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’ i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’ i Jehovah nanao fanekena tamin’ ny Zanak’ isiraely, tamin’ ny nivoahany avy tany Egypta.
- 11 Ary nony nivoaka avy tao amin’ ny fitoerana masìna ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),
- 12 ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan’ ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra;
- 13 ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’ i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon’ i Jehovah;
- 14 ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon’ Andriamanitra.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.