-
2 Chronicles 19
- 1 Ary Josafata, mpanjakan’ ny Joda, niverina soa aman-tsara ho any an-tranony tany Jerosalema.
- 2 Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak’ i Hanany mpahita, ka nanao tamin’ i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an’ i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.
- 3 Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin’ ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an’ Andriamanitra ianao.
- 4 Ary Josafata nitoetra tany Jerosalema; ary nandeha hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin’ ny tany havoan’ i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
- 5 Ary nanendry mpitsara tamin’ ny tany izy, dia tamin’ ny isan-tanàna mimanda eran’ i Joda,
- 6 ka nanao taminy hoe: Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an’ olona no hitsaranareo, fa ho an’ i Jehovah, sady momba anareo ao amin’ ny fitsarana Izy.
- 7 Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an’ i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin’ i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan’ olona, na fandraisana kolikoly.
- 8 Ary tany Jerosalema koa no nanendren’ i Josafata ny sasany tamin’ ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Isiraely ho amin’ ny fitsaran’ i Jehovah sy ny adin’ olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin’ izay)
- 9 ka dia nandidy azy hoe: Izao no hataonareo amin’ ny fahatahorana an’ i Jehovah sy amin’ ny fahamarinana ary amin’ ny fo mahitsy:
- 10 Na inona na inona no ady avy amin’ ny rahalahinareo izay monina amin’ ny tanànany, na ny amin’ ny mahafaty aina, na ny amin’ ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samy hafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin’ i Jehovah, fandrao iharan’ ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.
- 11 Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin’ ny raharahan’ i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak’ Isimaela, mpanapaka ny taranak’ i Joda, ho lehibenareo amin’ ny raharahan’ ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.