-
2 Chronicles 11
- 1 Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak’ i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin’ ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.
- 2 Kanjo kosa ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Semaia, lehilahin’ Andriamanitra, ka nanao hoe:
- 3 Mitenena amin-dRehoboama, zanak’ i Solomona, mpanjakan’ ny Joda, sy amin’ ny Isiraely rehetra amin’ ny Joda sy ny Benjamina hoe:
- 4 Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mandeha hiady amin’ ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’ i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an’ i Jeroboama.
- 5 Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.
- 6 Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa
- 7 sy Beti-zora sy Soko sy Adolama
- 8 sy Gata sy Maresa sy Zifa
- 9 sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka
- 10 sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin’ ny Joda sy ny Benjamina.
- 11 Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.
- 12 Ary tamin’ ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.
- 13 Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin’ ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin’ ny fari-taniny avy.
- 14 Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an’ i Jehovah,
- 15 fa nanendry mpisorona ho amin’ ny fitoerana avo sy ho an’ ny Seïrima ary ho an’ ny ombilahy kely izay nataony).
- 16 Ary na iza na iza tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
- 17 Ka dia nampahery ny fanjakan’ ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak’ i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin’ ny lalan’ i Davida sy Solomona telo taona izy.
- 18 Ary Rehoboama naka an’ i Mahalota, zanakavavin’ i Jerimota, zanak’ i Davida, sy Abihaila, zanakavavin’ i Eliaba, zanak’ i Jese, ho vadiny,
- 19 izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama.
- 20 Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin’ i Absaloma, izay niteraka an’ i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy.
- 21 Ary Rehoboama tia an’ Imaka, zanakavavin’ i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin’ ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).
- 22 Ary Abia, zanakalahin’ Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina.
- 23 Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran’ ny tanin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin’ ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.