-
Hebrews 7
- 1 Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan’ i Salema sy mpisoron’ Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an’ i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,
- 2 sady nomen’ i Abrahama ny ampahafolon’ ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan’ ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan’ i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ ny fiadanana;
- 3 tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan’ andro na faran’ ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak’ Andriamanitra),― izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
- 4 Ary hevero ny halehiben’ io lehilahy io ―, izay nomen’ i Abrahama patriarka ny ampahafolon’ izay tsara tamin’ ny zavatra nobaboina.
- 5 Ary izay avy tamin’ ny taranak’ i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin’ ny olona araka ny lalàna, dia amin’ ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon’ i Abrahama aza ireny;
- 6 nefa izay tsy isan’ ny firazanan’ ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin’ i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana.
- 7 Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin’ ny lehibe noho ny tenany.
- 8 Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona.
- 9 Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin’ i Abrahama,
- 10 satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin’ ny nitsenan’ i Melkizedeka an’ i Abrahama.
- 11 Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ ny fisoronan’ i Levy (fa tamin’ izany no nahazoan’ ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon’ i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon’ i Arona?
- 12 Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
- 13 Fa Izay nolazaina amin’ izany teny izany dia avy tamin’ ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin’ ny alitara.
- 14 Fa hita marimarina fa avy tamin’ ny Joda no nisehoan’ ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain’ i Mosesy akory ny amin’ izay ho mpisorona.
- 15 Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an’ i Melkizedeka,
- 16 izay natao tsy araka ny lalàn’ izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin’ ny fiainana tsy manam-pahataperana.
- 17 Fa Izy dia nambara hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka”.
- 18 Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
- 19 (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’ Andriamanitra.
- 20 Ary tahaka an’ i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin’ ny fianianana
- 21 ― fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin’ ny fianianana, fa Ity tamin’ ny fianianana nataon’ ilay nilaza taminy hoe: “Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay”
- 22 ― dia tahaka izany koa no nanaovana an’ i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
- 23 Fa natao maro ireny mpisorona ireny, satria tsy navelan’ ny fahafatesana haharitra izy;
- 24 fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy;
- 25 koa amin’ izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.
- 26 Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masìna, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,
- 27 Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan’ andro tahaka ny ataon’ ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ ny tenany, dia vao noho ny an’ ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.
- 28 Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin’ ny fianianana kosa, izay tato aorian’ ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.