-
Hebrews 4
- 1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin’ ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
- 2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin’ izay nandre.
- 3 Fa isika izay nino no miditra amin’ izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: “Toy ny nianiako tamin’ ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy”, na dia vita hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
- 4 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ ny teny anankiray araka izao: “Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ ny asany rehetra tamin’ ny andro fahafito”.
- 5 Ary amin’ izao koa: “Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy”.
- 6 Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin’ ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
- 7 dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin’ i Davida hoe: “Anio”, araka ny voalaza teo hoe: “Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo”
- 8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian’ izany.
- 9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an’ ny olon’ Andriamanitra.
- 10 Fa izay niditra tao amin’ ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin’ ny asany, tahaka an’ Andriamanitra tamin’ ny Azy.
- 11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin’ izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin’ ny tsi-finoana tahaka izany koa.
- 12 Fa velona sy mahery ny tenin’ Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ ny fo.
- 13 Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’ izay iafaran’ ny ataontsika.
- 14 Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak’ Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.
- 15 Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
- 16 Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana amin’ ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ izay andro mahory.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.