-
2 Thessalonians 2
- 1 Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin’ ny fihavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,
- 2 mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ ny saina na hampitahorina ianareo, na amin’ ny fanahy, na amin’ ny teny, na amin’ ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron’ ny Tompo.
- 3 Aza mety hofitahin’ olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
- 4 ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
- 5 Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo?
- 6 Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin’ ny fotoan’ androny.
- 7 Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany.
- 8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’ i Jesosy Tompo amin’ ny fofonain’ ny vavany ary hofoanany amin’ ny fisehoan’ ny fihaviany;
- 9 ny fihavin’ ilehiny dia araka ny fiàsan’ i Satana amin’ ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra
- 10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’ izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
- 11 Koa izany no ampanateran’ Andriamanitra fiàsan’ ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
- 12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
- 13 Fa izahay tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan’ ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ ny voalohany hahazo famonjena amin’ ny fanamasinan’ ny Fanahy sy ny finoana ny marina,
- 14 sady ho amin’ izany koa no niantsoany anareo tamin’ ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ ny teninay, na tamin’ ny epistilinay.
- 16 Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ ny fahasoavana,
- 17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin’ ny asa sy ny teny tsara rehetra.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.