-
Zechariah 14
- 1 Indro, hisy andron’ i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao ampovoanao.
- 2 Ary hangoniko ny jentilisa rehetra hamely an’ i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina ny trano, ary hosavihina ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa tsy dia hofongorana avokoa amin’ ny tanàna.
- 3 Dia hivoaka Jehovah ka hiady amin’ ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin’ ny andro fiadiana.
- 4 Ary amin’ izany andro izany ny tongony hijoro eo an-tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin’ i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.
- 5 Dia handositra ho any amin’ ny lohasahan’ ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan’ ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin’ ny andron’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin’ ny masìna rehetra momba Azy.
- 6 Ary amin’ izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony;
- 7 fa hisy andro iray, izay fantatr’ i Jehovah, tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia hisy mazava.
- 8 Ary amin’ izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin’ ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin’ ny ranomasina andrefana, na amin’ ny fahavaratra na amin’ ny ririnina dia samy hisian’ izany.
- 9 Ary Jehovah ho Mpanjakan’ ny tany rehetra; amin’ izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.
- 10 Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon’ i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin’ ny fitoerany izy hatramin’ ny vavahadin’ i Benjamina ka hatreo amin’ ny vavahady voalohany, hatramin’ ny vavahady an-jorony, ary hatramin’ ny tilikambo Hananela ka hatramin’ ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
- 11 Dia hisy mponina any, ary tsy hisy ozona intsony, fa Jerosalema handry fahizay.
- 12 Ary izao no areti-mandringana hamelezan’ i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an’ i Jerosalema: Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin’ ny itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany.
- 13 Ary amin’ izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin’ i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tanana izy, sady samy hanainga tanana hifamely.
- 14 Ary ny Joda koa hamely an’ i Jerosalema, ary hovorina ny haren’ ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka.
- 15 Ary ho toy izany koa ny areti-mandringana hamely ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva sy ny boriky mbamin’ ny biby fiompy rehetra izay ao amin’ ireny toby ireny, eny, ho tahaka izany areti-mandringana izany ihany.
- 16 Ary ny sisa rehetra amin’ ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an’ i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
- 17 Ary na iza na iza amin’ ny firenena samy hafa amin’ ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy.
- 18 Ary raha ny firenen’ i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan’ i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
- 19 Izany no fampijaliana an’ i Egypta sy fampijaliana ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
- 20 Amin’ izany andro izany dia hisy ao amin’ ny famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH; ary ny vilany ao an-tranon’ i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo anoloan’ ny alitara.
- 21 Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin’ ireny ka hahandro aminy. Ary amin’ izany andro izany dia tsy hisy Kananita intsony ao an-tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.