-
Revelation of John 8
- 1 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra.
- 2 Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
- 3 Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin’ ny vavaky ny olona masìna rehetra eo ambonin’ ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ ny seza fiandrianana.
- 4 Ary ny fofon’ ny ditin-kazo manitra mbamin’ ny vavaky ny olona masìna dia niakatra avy eo an-tànan’ ny anjely ho eo anatrehan’ Andriamanitra.
- 5 Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin’ ny afo teo amin’ ny alitara ka nanipy izany tamin’ ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
- 6 Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
- 7 Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin’ ny tany irany; ary may ny ampahatelon’ ny tany, ary may ny ampahatelon’ ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
- 8 Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon’ ny ranomasina;
- 9 ary maty ny ampahatelon’ ny zava-manan’ aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon’ ny sambo.
- 10 Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka tamin’ ny ampahatelon’ ny ony sy tamin’ ny loharano izany;
- 11 ary ny anaran’ ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon’ ny rano; ary maro ny olona no matin’ ny rano, satria efa nangidy izany.
- 12 Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon’ ny masoandro sy ny ampahatelon’ ny volana ary ny ampahatelon’ ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon’ ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.
- 13 Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan’ ny lanitra aho, izay nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an’ izay monina eny ambonin’ ny tany noho ny feo sisa an’ ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.