-
Nehemiah 10
- 1 Ary noho izany rehetra izany dia manao fanekena mafy izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase eo aminy ny mpanapaka anay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay.
- 2 Ary ny nanisy tombo-kase dia Nehemia governora, zanak’ i Hakalia, sy Zedekia,
- 3 ary Seraia, Azaria, Jeremia,
- 4 Pasora, Amaria, Malkia,
- 5 Hatosy, Sebania, Maloka,
- 6 Harima, Meremota, Obadia,
- 7 Daniela, Ginetona, Baroka,
- 8 Mesolama, Abia, Miamina,
- 9 Mazia, Bilgay, Semaia; samy mpisorona ireo.
- 10 Ary ny Levita kosa dia Jesoa, zanak’ i Azania, Binoy isan’ ny zanak’ i Henadada, ary Kadmiela;
- 11 ary ny rahalahin’ ireo dia Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana,
- 12 Mika, Rehoba, Hasabia,
- 13 Zakora, Serebia, Sebania,
- 14 Hodia, Bany Benino.
- 15 Ary ny loholona kosa dia Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany,
- 16 Bony, Azgada, Bebay,
- 17 Adonia, Bigvay, Adina,
- 18 Atera, Hezekia, Azora,
- 19 Hodia, Hasoma, Bezay,
- 20 Harifa, Anatota, Nebay,
- 21 Magpiasy, Mesolama, Hezira,
- 22 Mesezabela, Zadoka, Jadoa,
- 23 Pelatia, Hanana, Anaia,
- 24 Hosea, Hanania, Hasoba,
- 25 Halohesy, Pila, Sobeka,
- 26 Rehoma, Hasabna, Mahaseia,
- 27 Ahia, Hanana, Anana,
- 28 Maloka, Harima, Bana.
- 29 Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin’ ny tompon-tany hanaraka ny lalàn’ Andriamanitra mbamin’ ny vadin’ ireo sy ny zananilahy ary ny zananivavy, izay rehetra efa nahahaino,
- 30 dia samy nikambana tsara tamin’ ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan’ Andriamanitra, izay nampilazaina an’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, ary hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon’ i Jehovah Tompontsika mbamin’ ny fitsipika sy ny lalàny;
- 31 ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin’ ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakai-lahy;
- 32 tsy hividy zavatra amin’ ny andro Sabata, na amin’ izay andro masìna, raha misy entana na vary entin’ ny tompon-tany hamidy amin’ ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin’ ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra.
- 33 Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon’ Andriamanitsika:
- 34 dia ho amin’ ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin’ ny zava-masìna sy ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon’ Andriamanitsika.
- 35 Ary nanao filokana izahay ny amin’ ny hanateran’ ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon’ Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin’ ny fotoan’ andro isan-taona, handoroana eo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna,
- 36 ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon’ i Jehovah isan-taona isan-taona;
- 37 ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman’ osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon’ i Jehovah Andriamanitsika, ho an’ ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitsika;
- 38 ary mba hitondranay ho an’ ny mpisorona koa ny voalohan’ ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ ny vokatry ny taninay ho an’ ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin’ ny fambolenay.
- 39 Ary hisy mpisorona anankiray, taranak’ i Arona, hiaraka amin’ ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon’ ny fahafolon-karena dia ho entin’ ny Levita miakatra ho ao an-tranon’ Andriamanitsika, ho ao amin’ ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra.
- 40 Fa ho ao amin’ ireo efi-trano ireo no hitondran’ ny Zanak’ Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin’ ilay itoeran’ ny fanaky ny fitoerana masìna sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon’ Andriamanitsika izahay.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.