-
Micah 7
- 1 Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin’ ny fanahiko,
- 2 Lany tsy misy amin’ ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin’ ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin’ ny harato izy rehetra.
- 3 Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan’ ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.
- 4 Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron’ ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin’ izany dia vao ho very hevitra ianao.
- 5 Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran’ ny vavanao na dia amin’ izay andefimandrinao aza.
- 6 Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan’ ny olona ihany no fahavalony.
- 7 Fa izaho kosa dia hanandrandra an’ i Jehovah, Eny, hiandry an’ Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.
- 8 Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin’ ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.
- 9 Ny fahatezeran’ i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin’ ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
- 10 Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.
- 11 He ny andro hananganana ny mandanao! Amin’ izany andro izany dia hitarina ny faritra.
- 12 Amin’ izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin’ ny tanànan’ i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin’ ny Ony, Ary hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina, Ary hatramin’ ny tendrombohitra ka hatramin’ ny tendrombohitra.
- 13 Nefa ho lao ny tany noho ny amin’ ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
- 14 Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an’ ala ao an-tampon’ i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin’ ny andro taloha ela.
- 15 Toy ny tamin’ ny andro nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
- 16 Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.
- 17 Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin’ ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.
- 18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ ny sisa amin’ ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
- 19 Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin’ ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.
- 20 Hanefa fahamarinana ho an’ i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an’ i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin’ ny razanay hatramin’ ny andro taloha ela.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.