-
Joel 4
- 1 Fa, indro, amin’ ireo andro ireo sy amin’ izany fotoana izany, raha hampodiko ny Joda sy Jerosalema avy amin’ ny fahababoany,
- 2 Dia hangoniko ny jentilisa rehetra ka ho entiko midìna ao amin’ ny Lohasahan’ i Josafata, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin’ ny Isiraely, oloko sy lovako, izay naeliny tany amin’ ny jentilisa; Ary nozarazarainy ny taniko,
- 3 Sady nanaovany loka ny oloko, dia zazalahy no nataony takalon’ ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay ka nosotroiny.
- 4 Ary ianareo koa, ry Tyro sy Sidona, sy ry tany Filistia rehetra, moa mampaninona Ahy akory ianareo? Hamaly Ahy va ianareo, sa hanahoana Ahy? Faingana dia faingana no hanatsingerenako ny nataonareo ho eo an-dohanareo,
- 5 Noho ny natanareo ny volafotsiko sy ny volamenako, sy ny nitondranareo ny zava-tsoako mahafinaritra ho ao amin’ ny tempolinareo;
- 6 Ary ny zanak’ i Joda sy ny zanak’ i Jerosalema dia namidinareo tamin’ ny zanaky ny Grika, hamindranareo azy hanalavitra ny taniny.
- 7 Indro, hofohaziko izy hiala ny amin’ ny tany Izay nahaverezany noho ny nahalafosanareo azy, ary hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny nataonareo,
- 8 Ka hamidiko ho lasan’ ny zanak’ i Joda kosa ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ary hamidiny amin’ ny Sabeana kosa ireny, dia ho an’ izay firenena lavitra; Fa Jehovah no efa niteny.
- 9 Antsoy any amin’ ny jentilisa izany, miantsoa hanao ady masìna, fohazy ny lehilahy mahery, aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra;
- 10 Tefeo ho sabatra ny fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka; Aoka izay kelikely aina hihiaka hoe: Mahery aho!
- 11 Avia faingana, ianareo jentilisa rehetra avy eny manodidina eny, dia ento midìna ao ny maherinao, Jehovah ô.
- 12 Hifoha ny jentilisa ka hiakatra ho ao amin’ ny Lohasahan’ i Josafata; Fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra avy eny manodidina eny.
- 13 Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; Avia ianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany.
- 14 He izany vahoaka mireondreona ao amin’ ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah ao amin’ ny lohasaha fitsarana.
- 15 Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra,
- 16 Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan’ ny olony sy fiarovana mafy ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
- 17 Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masìna; Dia ho masìna Jerosalema, ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony.
- 18 Amin’ izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driak’ i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’ i Jehovah ka handena ny lohasahan-driak’ i Sitima.
- 19 Egypta kosa ho tonga tany lao, ary Edoma ho efitra foana, noho ny fampahoriana ny taranak’ i Joda, dia ny nandatsahany rà marina teo amin’ ny taniny.
- 20 Fa Joda honenana mandrakizay, ary Jerosalema hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
- 21 Ary hamaly ny rà marina izay tsy mbola novaliako Aho; Fa Jehovah monina ao Ziona.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.