-
Jeremiah 21
- 1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an’ i Pasora, zanak’ i Malkia, sy Zefania, zanak’ i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe:
- 2 Masìna ianao, manontania amin’ i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan’ ireo aminay.
- 3 Dia hoy Jeremia taminy: Lazaonareo amin’ i Zedekia hoe:
- 4 Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo, izay entinareo miady eny ivelan’ ny manda amin’ ny mpanjakan’ i Babylona sy amin’ ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan’ ity tanàna ity ireo.
- 5 Ary Izaho no hiady aminareo amin’ ny tanana ahinjitra sy amin’ ny sandry mahery ary amin’ ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.
- 6 Ary hamely ny mponina amin’ ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin’ ny aretim-be mandringana izy.
- 7 Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
- 8 Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan’ ny fiainana sy ny lalan’ ny fahafatesana:
- 9 Izay mbola mitoetra eto amin’ ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.
- 10 Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity ka hodoroany amin’ ny afo.
- 11 Ary henoy ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny taranaky ny mpanjakan’ ny Joda sy ny mpianakaviny.
- 12 Ry taranak’ i Davida, izao no lazain’ i Jehovah: Mitsarà isa-maraina, afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny alona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian’ ny ataonareo.
- 13 Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin’ ny vatolampy amin’ ny tany lemaka, hoy Jehovah, dia ianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra ato amin’ ny fonenanay?
- 14 Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin’ ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.