-
James 3
- 1 Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.
- 2 Fa tafintohina amin’ ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
- 3 Ary raha asiantsika lamboridy amin’ ny vavan’ ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika.
- 4 Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin’ ny rivotra mahery, dia ahodin’ ny familiana kely foana izy ho any amin’ izay tian’ ny mpitondra.
- 5 Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!
- 6 Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin’ ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy;
- 7 Fa folaka avokoa ny karazan’ ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny;
- 8 fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.
- 9 Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’ Andriamanitra.
- 10 Ny vava iray ihany no ivoahan’ ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
- 11 Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ ny vavany iray ihany?
- 12 Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’ oliva, na ny voaloboka mamoa voan’ aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan’ ny mamy.
- 13 Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ ny fitondran-tena tsara ny asany amin’ ny fahalemem-panahin’ ny fahendrena.
- 14 Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.
- 15 Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ ny demonia.
- 16 Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
- 17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.
- 18 Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ ny fihavanana ho an’ izay mampandroso ny fihavanana.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.