-
Ephesians 6
- 1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ ny Tompo, fa marina izany.
- 2 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
- 3 mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin’ ny tany.
- 4 Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ ny famaizana sy ny fananaran’ ny Tompo izy.
- 5 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin’ ny fahatsoran’ ny fonareo, toy ny fanekena an’ i Kristy ihany,
- 6 tsy amin’ ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’ olona, fa tahaka ny mpanompon’ i Kristy manao izay sitrapon’ Andriamanitra amin’ ny fo,
- 7 amin’ ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin’ ny Tompo, fa tsy amin’ olona,
- 8 satria fantatrareo fa izay soa ataon’ ny olona rehetra no horaisiny amin’ ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.
- 9 Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan’ olona aminy.
- 10 Farany, mahereza ao amin’ ny Tompo sy amin’ ny herin’ ny faherezany.
- 11 Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ ny fanangolen’ ny devoly.
- 12 Fa isika tsy mitolona amin’ ny nofo aman-drà, fa amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra.
- 13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
- 14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
- 15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ ny filazantsaran’ ny fihavanana ny tongotrareo;
- 16 ary ho fanampin’ izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ ilay ratsy.
- 17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’ Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
- 18 ary mivavaha mandrakariva ao amin’ ny Fanahy amin’ ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ ny olona masìna rehetra,
- 19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin’ ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara
- 20 (iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin’ ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko.
- 21 Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
- 22 izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.
- 23 Fiadanana anie ho an’ ny rahalahy ary fitiavana mbamin’ ny finoana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
- 24 Ny fahasoavana anie ho amin’ izay rehetra tia an’ i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ ny fitiavana tsy mety levona. Amena.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.