-
Deuteronomy 17
- 1 Aza vonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na, fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany.
- 2 Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny
- 3 ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin’ ny masoandro, na amin’ ny volana, na amin’ ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,
- 4 ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo amin’ ny Isiraely izany fahavetavetana izany:
- 5 dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.
- 6 Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy.
- 7 Ny tanan’ ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan’ ny vahoaka rehetra; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
- 8 Raha misy teny sarotra loatra amin’ ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin’ ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao.
- 9 ary mankanesa amin’ ireo Levita mpisorona sy amin’ ny anankiray izay mpitsara amin’ izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana.
- 10 Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony anao.
- 11 Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin’ ny teny izay hambarany aminao, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
- 12 Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty izany olona izany; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny fanao ratsy.
- 13 Ary ny vahoaka rehetra handre, dia hatahotra ka tsy hiavonavona intsony.
- 14 Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,
- 15 dia izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin’ ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin’ ny rahalahinao ianao.
- 16 Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin’ izany lalana izany intsony.
- 17 Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy.
- 18 Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ ireo Levita mpisorona.
- 19 Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin’ ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’ i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’ izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,
- 20 mba tsy hiavonavonan’ ny fony amin’ ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ ny lalàna, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba ho maro andro amin’ ny fanjakany eo amin’ ny Isiraely; izy sy ny taranany.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.