-
1 Chronicles 27
- 1 Ary ny amin’ ny Zanak’ Isiraely araka ny isany, dia ny lohan’ ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin’ izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan’ ny isan-tokony.
- 2 Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin’ ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak’ i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina;
- 3 isan’ ny taranak’ i Fareza izy sady lohan’ ny mpifehy rehetra tamin’ ny miaramila amin’ ny volana voalohany.
- 4 Ary ny nifehy ny antokony ho amin’ ny volana faharoa dia Dodo Ahohita; Miklota andriandahy no isan’ ny antokony; ary ny antokon’ ny Ahohita dia efatra arivo amby roa alina.
- 5 Ny komandin’ ny antokony fahatelo tamin’ ny miaramila, ho amin’ ny volana fahatelo, dia Benaia lohany, zanak’ i Joiada mpisorona; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
- 6 Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin’ izy telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan’ ny antokony.
- 7 Ny fahefatra, ho amin’ ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin’ i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
- 8 Ny fahadimy, ho amin’ ny volana fahadimy, dia Samihota Jizarita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
- 9 Ny fahenina, ho amin’ ny volana fahenina, dia Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
- 10 Ny fahafito, ho amin’ ny volana fahafito, dia Heleza Pelonita, isan’ ny taranak’ i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
- 11 Ny fahavalo, ho amin’ ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan’ ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
- 12 Ny fahasivy, ho amin’ ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan’ ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
- 13 Ny fahafolo, ho amin’ ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan’ ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
- 14 Ny fahiraika ambin’ ny folo, ho amin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo, dia Benaia Piratonita, isan’ ny taranak’ i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
- 15 Ny faharoa ambin’ ny folo, ho amin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo, dia Helday Netofatita, isan’ ny taranak’ i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
- 16 Ary izao no lohan ny firenen’ Isiraely: Tamin’ ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin’ i Zikry; tamin’ ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin’ i Maka;
- 17 tamin’ ny Levita dia Hasabia, zanakalahin’ i Kemoela; tamin’ ny Aronita dia Zadoka;
- 18 tamin’ ny Joda dia Eliho, izay isan’ ny rahalahin’ i Davida; tamin’ ny Isakara dia Omry, zanakalahin’ i Mikaela;
- 19 tamin’ ny Zebolona dia Jismala, zanakalahin’ i Obadia; tamin’ ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin’ i Azriela;
- 20 tamin’ ny taranak’ i Efraima dia Hosea, zanakalahin’ i Azazia; tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Joela, zanakalahin’ i Pedaia;
- 21 tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin’ i Zakaria; tamin’ ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin’ i Abnera;
- 22 tamin’ ny Dana dia Azarela, zanakalahin’ i Jerohama. Ireo no lohan’ ny firenen’ Isiraely.
- 23 Nefa tsy nanisa ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho midìna Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra Izy.
- 24 Joaba, zanak’ i Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin’ ny Isiraely tamin’ izany, ka dia tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ i Davida mpanjaka ny isany.
- 25 Ary ny tonian’ ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak’ i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin’ ny tanàna, na tamin’ ny vohitra, na tamin’ ny tilikambo, dia Jonatana, zanak’ i Ozia;
- 26 ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak’ i Keloba;
- 27 ary ny tonian’ ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian’ ny divay tehirizina any amin’ ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita;
- 28 ary ny tonian’ ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian’ ny diloilo tehirizina dia Joasy;
- 29 ary ny tonian’ ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian’ ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak’ i Adlay;
- 30 ary ny tonian’ ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian’ ny borikivavy dia Jedda Meronotita;
- 31 ary ny tonian’ ny ondry aman’ osy dia Jaziza Hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian’ ny fananan’ i Davida mpanjaka.
- 32 Ary Jonatana, rahalahin-drain’ i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak’ i Hakmony, dia teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka;
- 33 ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan’ ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an’ i Ahitofela dia Joiada, zanak’ i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjaka dia Joaba.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.